kolontsaina

Malagasy Iray Hasina « Fomba fa tsy finoana ny taom-baovao Malagasy »


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Miteraka resabe eto amintsika hatrany ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy isaky ny volana Martsa tahaka izao. Misy mantsy ireo mihevitra fa tena fanompoana hafa mihitsy izy ity,

antony nanosika an-dRandriamihanta Victorio, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Malagasy Iray Hasina na ny MAIHA nitondra fanazavana mifandraika amin’izany omaly. Nankalazaina nanomboka omaly talata 21 martsa ka hatramin’ny anio 22 Alarobia Martsa mantsy ny taom-baovao Malagasy amin’ity taona ity. Nambarany nandritra izany fa tsy misy hidiran’ny finoana fa fomba ny taom-baovao Malagasy. Rehefa fotoanan’ny tsinambolana mialohan’ny Paska tahaka izao hoy izy dia tsy maintsy midio ny rehetra. Midio hatramin’ny firenena hoy izy taorian’ny fotoam-pahavaratra nisian’ny ranon’orambe mialohan’ny handraisana ny fafy rano na tso-drano hahafahana miatrika ny taona vaovao indray mba hananana fiainana tsara. Toy ny fomba rehetra ihany izy io hoy hatrany Randriamihanta Victorio. Ho an’ny Sakalava ohatra dia ny Fitampohq ny azy no hataony. Ho an’ny Betsimisaraka dia ny Tsaboraha, ho an’ny foko Merina dia ny Alahamadibe….Notsiahivin’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny MAIHA ity moa fa ny fidiovana sy ny fifanajana no tena zava-dehibe ao anatin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Fomba iray manazava ny fahendrena Malagasy izy io hoy hatrany izy no sady hany lalan-tokana hahafahana mampifandray ny Malagasy. Marihina moa fa mbola olana goavana amin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy eto amintsika ny fahasamihafan’ny daty hanamarihan’ireo fikambanana mankalaza izany eto amintsika. Tsy mbola misy mihitsy hatreto ny marimaritra iraisana nefa samy milaza ho manana ny marina avokoa izy ireo. Ny fikambanana mpandala ny maha-Malagasy tahaka ireny anefa no tena tokony hampiseho maodely hanehoana izay fihavanana Malagasy izay.
Pati
Legende : Tetsy amin’ny ANS Ampefiloha omaly nandritra ny fisantarana ny taom-baovao Malagasy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT