kolontsaina

Makua Tour 2022 Noporofoan-dry Shyn fa mahavita zavatra tsara ny Malagasy


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Ankoatry ny fahatapahan’ny herinaratry ny jirama teny amin’ny faritra ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ka naha semban-drahona ny fampisehoana dia matotra,

matihanina, kanto ary hita fa tena tsara fanomanana ny Makua Tour 2022 omaly alahady.Nasehon’i Shyn sy Denise ary ny ekipany fa mana-talenta no sady mahay manao fampisehoana izy ireo ; jiro, haingon-tsehatra, fampiasana ny teknolojia dia hita tao daholo.Namaky lay i Joyce Mena tamin’ny 3 ora tolakandro tonga dia nafana ny sehatra. Fa nanome ny tsara indrindra tany aminy ihany koa anefa ry Shadow Bangs, Lion Hill, LJo , Dalvis sy Boy Black.Nafana ny ambiansy rehefa niaka-tsehatra i Denise ary niaraha-niredona ny ankamaroan’ireo hira, misaotra anareo aho manana mpijery hendry sy mahafinaritra hoy Denise izay hita fa nihetsi-po tokoa.Aorian’ity fampisehoana voalohany teto Antananarivo ity dia hitodi-doha ho any am-pita ny Makua Tour ary amin’ny taona vaovao 2023 no hanomboka kosa ny fitetezam-paritra eto Madagasikara.Efa nofinofinay hatramin’ny niandohanay nihira ny hanao fampisehoana lehibe ao amin’ny « Palais des Sports » hoy i Shyn ka fanatanterahana izany no natao ary natao tsara. Rariny sy hitsiny raha manao zavatra matotra sy matihanina isika Malagasy eto amintsika fa tsy hoe rehefa any ivelany vao manezakezaka .Mendrika hahita sy hihaino zavatra tsara ny Malagasy, ary tsy ekentsika ilay hoe Madagasikara firenena mahantra indrindra fa hiezaka isika, hoy izy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT