MAKUA FESTIVAL MUSIC

Mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana


  • Talata 15 Oktobra 2024

Raikitra ny Makua Festival Music andiany voalohany , hotanterahina any Toamasina ny datin’ny 01, 02

ary ny 03 Novambra ho avy izao izay karakarain’ny Makua Entierement. Mpanankato marobe avy any amin’iny faritra iny no ho avy hanafana ny lanonana mandritra ny 3 andro. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra ny fomba maro samihafa mampiavaka ny faritra Atsinanana sy ny maha-Toamasina an’i Toamasina. Anisan’ny haneho ny talentany mandritra izany ry Shadow bangz, Joyce mena raha toraka izany ihany koa ry Rigo, Nantenaina, Sidina, mashmanjaka, ny groupe Sahy, Dada samy Malagasy…10.000 Ar no fidirana ho an’izay hividy tapakila mialoha, raha araka ny fanazavan’ny mpanankato Shyn tamin’ny mpanao gazety omaly raha 15.000 no tokony ho izy. 200.000 Ar kosa no saran’ny VIP saingy raha maka paka 3 andro ilay olona dia mahazo fihenam-bidy 100.000 Ar izany hoe : 500.000 Ar no alohany. Notsiahivin’ity mpanankato ity moa fa tanjona ny hahafahana mampiroborobo ny fizahantany arahin’ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana any amin’iny faritra iny mba hamerenana ho maitso volo indray an’i Madagasikara. Izay mividy tapakila iray noho izany dia naman’ny mamboly zana-kazo miisa roa. Hovolena ao Toamasina avokoa ireo zanakazo rehetra azo avy amin’izany. Hisy moa ny fanadiovana faobe ny tananan’i Toamasina ny datin’ny 04 Novambra izay hiarahana amin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina sy ny Canal Plus. Olona manodidina ny 250.000 isa isan’andro kosa no ezahina ho avy.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpanao gazety omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT