Mahay mihira sy manao mozika ny malagasy

Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka i Filamatra Matokia


  • Talata 19 Novambra 2024

Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly i Filamatra Matokia

Randriamampionona, ilay zazavavy malagasy 11 taona, nofidian’ireo mpijery ny fifaninanan-kira iraisampirenena «Our génération» hahazo ny laharana voalohany. Ny hirany mitondra ny lohateny hoe «Iray» no nambabony ny vaton’ireo mpijery tamin’ity famaranana natao tany Rosia ity. Taranaka mpanao mozika rahateo moa ny zazavavy satria tsy zoviana amin’ireo mpankafy izany atao hoe mozika malagasy izany i Stan sy Nanah, izay ray aman-dreniny samy nandray anjara tamina fifaninanan-kira nokarakaraina fahitalavitra rahavavy tamin’ny fotoan’androny ihany koa. Maromaro ihany izay malagasy nibata amboara tamina fifaninanan-kira iraisampirenena izay ary mbola voaporofo hatrany ihany koa izany hatreto fa raha samy mbola eto ambonin’ny tany dia tena mahay mihira sy manao mozika izany malagasy izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT