Mahavelona Maroantsetra

Andrasana ny vahaolan’ny disadisa ara-poko


  • Alarobia 10 Janoary 2024

Novorian'ny mpitondra ny vahoaka sy ireo solontenan'ny foko iray,

ny faran'ny herinandro teo, tao Fizono, kaominin'i Mahavelona Maroantsetra, raha ny fampitam-baovao voaray. Misy ny disadisa, hoy ny fanazavana. Tsy eken'ireo mponina ao Fizono ny hiarahan'ireo olona avy amina foko iray honina sy hila ravinahitra eo amin'ny fokontanin'izy ireo. Sarotra amin'izy ireo ny hiara-hiaina amin'iretsy mpiray tanindrazana avy amina faritra hafa iretsy. Vao tonga teo an-tanàna ny mpitondra sy ny solontenan'ilay foko dia sora-baventy sy hirahira maneho tsy fifaliana no nitsena azy ireo. Nifandinika tao am-piangonana ny roa tonta sy ny solontenan’ny fitondram-panjakana mpanelanelana, nandritra ny ora 4, saingy tsy nisy ny marimaritra iraisana hita. Tsy nanaiky handray mpihavy ireo tompon-tany. Rehefa tsy nisy tapaka dia rava ny fivoriana. Ny alatsinainy teo no voalaza fa nampanantsoin'i lehiben'ny distrika ny ben'ny tanàna sy ny lefiny mikasika izay vahaolana manaraka ho raisina, raha ny fampitam-baovao voaray farany hatrany. Andrasana araka izany ny vahaolana mikasika ity disadisa ara-poko ao Mahavelona Maroantsetra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT