kolontsaina

MAGE 4 Hiaka-tsehatra fanindroany etsy Antsahamanitra


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Noho ny fangatahan’ny maro, indrindra fa ireo mpankafy ny tarika Mage 4 dia hanatanteraka fampisehoana goavana etsy Antsahamanitra indray izy ireo ny alahady 26 aogositra ho avy izao manomboka amin’ny 3 ora folakandro.

 

Ankoatra ireo hira vaovaon’ny tarika efa  mandeha amin’ny fahitalavitra sy ny onjam-peo dia ho maro amin’ireo hira nahafantarana azy no hovetsoiny amin’io. Haharitra ora telo ny fampisehoana ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ny gadona mavesatra. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fisantarana ny fotoam-pialantsasatra lehibe ity fampisehoana ity sy ny fanomezana herin-tsaina sy tosika kely ireo mbola hiatrika ny fanadinana BEPC sy Bakalôrea. Ny Ivenco sy ny orinasam-pifandraisana Airtel no mpikarakara sy mpanohana fampisehoana. Tanjon’izy ireo ny hahafahana manandratra sy manome lanja ny mpanakanto Malagasy manana ny maha izy azy toa an-dry Mage 4 izay misy an’i Ken sy ny feo mangany ho reharehan’ny firenentsika. Fanindroany amin’izao no hiaka-tsehatra lehibe eto Antananarivo ny tarika Mage 4 tamin’ity taona 2018 ity. Mankalaza ny faha-25 taonany ihany koa ny tarika ankehitriny ka ho avy maro hanotrona ny fampisehoana hataony ireo fan club-ny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT