kolontsaina

Madagasikara Mbola manana fiandrianam-pirenena ihany ve ?


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Maro ny adihevitra manodidina ny fiainam-pirenena ka miteraka resabe eo anivon`ny fiarahamonina.

 

Ny fahaleovantena mantsy azo fa ilay fiandrianam-pirenena no miteraka adihevitra. Nanatrika ireny foara momba ny fitaovam-piadiana ireny ny minisitry ny fiarovam-pirenena nijery fitaovana entina manampy ny fitaovan’ny fanjakana Malagasy toy ny fiaramanidina, angidimby… Tena mahavelombolo izany saingy ahoana ny mangarahara amin`ireo fitaovam-piadiana tafiditra eto amintsika ? Mivaivay ihany koa ny fanakianana mahakasika ny filaharan`ny Tafika Frantsay etsy Mahamasina. Miezaka manazava ny antony amin`ny fandraisana fanapahan-kevitra samihafa moa ny fitondram-panjakana saingy mba ahoana ny fiantraikany amin`ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka, indrindra amin`izao ankatoky ny fetim-pirenena izao ? Hanao ahoana ny endrika vaovao ahitana taratra fa miady ho an`ny fiandrianam-pirenentsika isika ? Raha ny zava-misy aloha dia banga amin`ny ampahany izany ka mahatonga ny adihevitra maro samihafa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT