kolontsaina

Madagascar Orchestra Mikasa hanangana orikesitra goavana indrindra


  • Zoma 30 Jolay 2021

Nampahanfantatra tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy omaly ny fikambanana mpiangaly ny mozika klasika Malagasy, Madagascar Orchestra,

 fa mikasa hanangana orikesitra goavana indrindra miangaly ity mozika ity eto Madagasikara izy ireo. Izay no tanjona goavana indrindra tianay ho tratrarina, hoy izy ireo. Ny oktobra 2019 no nitsangana ny fikambanana, raha ny fanazavana, ary tsikaritra ho olana hatreto ny tsy fahafaha-mivelatra loatra amin’ny zava-maneno ampiasaina izay lokanga ihany aloha amin’ny ankapobeny nefa tokony hisy hafa maro. Ho fanokafana ny taom-pilalaovana 2021 izay tokony ho notontosaina ny volana martsa teo moa dia ny 17 septambra indray no voatery hanatontosana izany ao amin’ity toerana ity noho ny ahamehana ara-pahasalamana. Hampiavaka ny hetsika ny fampiarahana ny mozika klasika sy ny tontolon’ny sakafo na “gastronomie”, hoy hatrany ny Madagascar Orchestra.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT