kolontsaina

Lolo sy ny Tariny Lavon’ny Covid-19 i Sammy


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Lavo ny andrarezina iray teo amin’ny tontolon'ny kanto. Nodimandry ny talata teo, teo amin'ny faha-66 taonany i Sammy Rabenirainy

 

 

 

 na Samuelson Daniel Rabenirainy. Lavon’ny zava-kanto i Sammy, taorian’ny fandraisana an-tànana azy teny amin’ny Hopitalin’Anosiala, ary notanterahina omaly ny fandevenana azy. Mpikambana sady namorona ny Tarika Lolo sy ny tariny izy, mpitendry lokanga na “violon”, mpihira,... Nianatra manokana momba ny haifiarahamonina na “sociologie”, ary niompana betsaka tamin’ny serasera sy ny zava-kanto ny ankamaroan’ny asa sy andraikitra notanany. Efa nitana andraikitra ambony maro ankoatra ny zava-kanto nahafantarana azy, ka isan’izany ny naha Tale Kabinetran'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera (1993-1995); Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA (1993-1997),…. Manampahaizana manokana momba ny feo, ary mpampianatra sy mpanofana momba izany ka maro ireo efa nizarany fahaiza-manaony, efa tale teknika tao amin’ny orinasan-tserasera MBS,… Isika eto amin’ny Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny Tarika Lolo sy ny tariny sy ny fianakavian’Ii Sammy manontolo.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT