kolontsaina

Lokabe krismasy - ORANGE Nahazo hatramin’ny 1.000.000 Ar ireo tsara vintana


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Ny faran’ny herinandro teo no nanoloran’ny Orange Money ny valim-pitia ho an’ireo mpanjifany nandray anjara tamin’ilay lalao “Lokabe Krismasy” nokarakarain’izy ireo nandritra ny fankalazana fetin’ny Noely sy ny taona vaovao 2018.

  Nanomboka ny 27 novambra ka hatramin’ny 24 desambra lasa teo ny lalao raha tsiahivina. Izay rehetra nandray anjara tamin’ny fandefasana vola tamin’ny alalan’ny Orange Money nihoatra ny 5.000 Ar dia afaka nandray anjara tamin’ilay lalao an-kitsapaka nokarakarain’ny orinasam-pifandraisana Orange avokoa. Nozaraina ticket maimaimpoana izy ireo ka isan-kerinandro dia mpanjifa miisa fito no nahazo vola 500.000 Ar. Nisy koa ny tsara vintana iray nahazo hatrany amin’ny 1.000.000 Ar. Ankoatra  ireo dia nisy tsara vintana miisa 32 ihany koa nandritra ny lalao nahazo loka manokana mihitsy. Anisan’ireny Ramiandrison Sambalahy, monina ao Betania Toliara nahazo fahafahana mitsangantsangana any amin’ny Nosy rahavavy Maurice ho an’olon-droa, mijanona any an-toerana mandritra ny efatra andro, matory ao amin’ny hotel kintana efatra Riu Créole mandritra ny telo alina… Anisan’ny nanohana akaiky ny Orange Money tamin’ny fanatanterahana izany ny Air Mauritius izay mpiara-miombon’antoka akaiky amin’izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT