Loharano sy soatoavina amin’ny Kabary

Manomboka liana ny olona


  • Talata 19 Septambra 2023

Manana ny sehatra maha izy azy amin’izao fotoana izao ny Kabary, hoy ny teo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary

malagasy na Mpikalo nandritry ny famoahana andiany notontosain’izy ireo tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ny sabotsy teo. Ankoatran’ny hoe liana fotsiny ny olona mba te hikabary, hoy ny fanazavana, dia efa manomboka voasarika ny olona hamantatra ilay loharano sy soatoavina maha malagasy. Isan’ny mampiavaka ny mpikabary Katolika na Mpikalo dia ny hoe tamban-tsoatoavina miisa 2 no voizina sy atao hifanaraka dia ny soatoavina maha malagasy sy maha Kristianina. Miroborobo ny kabary fa etsy ankilan’izay koa dia mitsoka mafy ny rivotry ny fanatontoloana. Somary sadasada manan-tsoratra ihany raha jerena ny eto amin’ny tany sy ny firenena. Voavolavola tsara ilay olona aty amin’ny sehatra misy anay fa vao mivoaka ny varavarana dia mandeha ny “bonjour” sy ny “merci” ary ny maro isan-karazany. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana koa moa izany efa tena manao laharam-pahamehana be ilay kolontsaina ve sa manao ahoana? Mifandraika daholo izay rehetra izay fa ny anjaranay dia mamolavola mba hananan’ilay olona sata maha mpikabary. Rehefa avy miankina amin’ny tanjony ihany no hanohizany izany, hoy hatrany ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Mpikalo na Mpikabary Katolika malagasy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT