kolontsaina

Literatiora aty amin’ny ranomasimbe indianina Sangany ny Malagasy


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Isan-taona dia misy hatrany ny fifaninanana manoratra Angano, tononkalo, tantara foronina, sombin-tantara eto amin’ny faritry ny ranomasimbe indianina.

 

 

 «Indianoceanie» no anarana isaloran’izany. Mpandray anjara mavitrika hatrany isika Malagasy ary nibata ny amboara «prix indianoceanie” i Madagasikara tamin’ity. Nozaraina tao amin’ny demeure Saint-Antoine, Maorisy, ny loka mitentina 1.000 euros ho an’i Fanja Andriamampandry, vady navelan’i Jean Pierre Haga. Ity farany izay nahazo ny loka avy any Antsirabe ary nodimandry ny volana septambra teo. “Le jumeau” no lohatenin’ny boky. Tantara foronina izy ity. Nikarakara ny fifaninanana moa ny komisionin’ny ranomasimbe indianina na COI ary nanohana kosa ny Blue sky, ny OIF na rafitra iraisampirenena misahana ny frankofonia ary ny departemantan’i La Réunion. Tonga nanatrika kosa ny tale jeneralin’ny Kolontsaina, Pilaza Joreh. Nisaoran’i Fanja koa ny dokotera Tsiky Rakotomavo tamin’ny lahateniny tamin’ny fikarakarana ny hahatongavany tany Maorisy. Ity farany moa izay mpahay literatiora nisolotena an’i Madagasikara nitsara ny fifaninanana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT