Ankizy miisa 105 sy renim-pianakaviana miisa 105 no nisitraka ny asa fanasoavana nataon’ny fandaharana Light Generation sy ny tarika NTC Gospel ary ny Messengers ny zoma lasa teo.
Fitafiana, vary manta ary biky sy vatomamy no natolotra azy ireo amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. Nanolo-tanana tamin’ny hetsika ihany koa ny fikambanana KFHI tamin’ny alalan’ny tetik’asa "Fifaliana” izay nampisakafo ireto fianakaviana sahirana izay monina eny amin’iny faritr’Ambohimiarana iny. Raha tsahivina, ny alahady lasa teo dia nanatontosa rindran-kira ara-pilazantsara tetsy amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Antsahavola ny tarika Messengers sy ny NTC Gospel nentina nanangona ny hoenti-manana tamin’ity asa fanasoavana ity.Nambaran’ny tompon’andraikitra fa hotohizana hatrany ary atao misandrahaka kokoa ny asa fanampiana sy fanasoavana tahaka aizao amin’io taona vaovao 2019 ho avy io.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.