kolontsaina

Lianah, 19 taona nihirana “Tsy natao hirotorotoana ny kanto”


  • Zoma 10 Martsa 2023

Namoaka vokatra vaovao foana i Lianah, hoy ity mpanakanto nisehatra teo amin’ny hira sy mozika tao anatin’ny 19 taona ity.

Ny akaiky indrindra izao, hoy izy, dia ny tamin’ny akaikin’ny fetin’ny mpifankatia satria efa fombako isan-taona moa iny dia tamin’ity ny lohatenin’ilay hira hoe “Vadiko malala”. Vao iray volana izay no lasa ny fetin’ny mpifankatia. Tsy natao hirotorotoana ny kanto. Isaorana ny mpankafy rehefa mipetraka ny anarana satria ankafizin’olona izany ny zavatra ataonao. Sarotra be nefa ny mitazona an’izay haharitra. Izao aloha no miezaka ny ho afa-po voalohany amin’ny kanto vokariko izay vao sahy mamoaka azy amin’ny mpankafy. Raha ny fandaharam-potoana akaiky indrindra dia amin’ny alatsinain’ny paska any Ambositra. Raha sitrapon’Andriamanitra moa dia hankalaza ny faha 20 taona koa amin’io taona hoavy io. Miha mahay mihira ny tanora ankehitriny ary manga feo. Be koa anefa ireo te ho hita fotsiny nefa ny laza tsy terena fa mila tiavina aloha ilay mozika. Mipetraka ho azy ianao rehefa tsara sy tianao ny zavatra ataonao. Mahafinaritra ankoatran’ny efa voalaza teo koa ny fivoaran’ny tekinolojia any anaty rakitsary saingy ny hafatra amin’ireo zadrikely dia ny hoe aza mirotoroto. Be dia be tamin’ireo nanao mozika taty aoriana no nalaza tampoka dia tsy hita intsony avy eo vetivety teo. Ilaina ny manaraka ny fivoaran’ny zava-misy fa mila apetraka foana ny maha ianao anao. Izaho izao hitanareo somary nampivoatra gadona kely fa ao foana ilay maha Lianah an’i Lianah, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT