kolontsaina

« LES NUITS D’INCUBONS » Adihevitra arahin-kira entina hanatsarana ny fiainam-pirenena


  • Zoma 09 Martsa 2018

Hanatanteraka adihevitra arahin-kira miaraka amin’i Dama ry zareo mpikarakara hetsika ao amin’ny “Maison Jean Laborde” etsy Andohalo anio zoma 9 martsa hariva.

 

Nambaran’i Tsiory  Razafimpahanana sy Malaika Rakotomalala, tompon’andraikitra voalohany  ao an-toerana fa somary  hiova  kely amin’ny mahazatra  ny hetsika amin’ity taona 2018 ity. Isika rahateo tafiditra anaty fotoam-pifidianana tsara. Raha seho tsotra niarahana tamin’ny mpanakanto fotsiny no nisy teo aloha dia arahina adihevitra kely miaraka amin’i Dama izany amin’ity indray mitoaraka ity ao anatin’ilay lohahevitra nosafidiana hoe : « Olona misy fotony ».  Ankoatra izay dia hiresaka zavatra hafa manodidina ny  fiarahamonina  sy  ny zava-misy eto amin’ny tanàna sy vaovao malaza maneran-tany ihany koa ny mpanatrika. Mba tsy hampamonamonaina ny fifanakalozan-kevitra sy hampafana ny fiarahana no antony tsy maintsy  hikalon’i Dama, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nambaran’i Tsiory fa io hetsika io dia natao indrindra  hanomezam-boninahitra an’i Tsilavina Ralaindimby. Fantatra mantsy fa anisan’ny  nanampy sy niara-niasa akaiky tamin’izy ireo i Tsilavina Ralaindimby fony fahavelony tamin’ny fiketriketrehana io adihevitra arahin-kira io izay tsy hanavahana loko  politika ary ezahina hatao isam-bolana ihany koa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT