kolontsaina

Lejim 415 Hikalo ny tsy fankasitrahany ny « poupée sexuelle »


  • Alakamisy 14 Martsa 2019

Rahampitso alina 15 martsa no hahitana ny seho miavaka iarahana amin’ny tarika Lejim 415, etsy amin’ny restaurant le Menabe Ivato.

 

Mpanakanto sady manam-pahaizana momba ny mozikam-paritra manerana an’i Madagasikara manana ny marim-pahaizana « DEA en Ethnomusicologie », moa ny iray amin’ireo mpikambana, Rakotonavory Jimmy Hilarion. Araka ny fanazavana noho izany dia isan’ny mbola hampiavaka ny seho koa ny fampisehoana ireo voka-pikarohana amin’ny alalan’ny mozika. Hisongadina, ohatra, ny gadonkira tsimihety toy ny salegy, antosy, malesa, baoejy sy ny maro hafa hatramin’ny fampiarahana izany amin’ny hiran’ny tanora ankehitriny, raha ny fanazavana. Hiavaka noho izany ny ambiansy izay mbola tafiditra ao anaty fankalazana ny faha 15 taonan’ny tarika. Hisy ihany koa ny famoahana rakin-kira manokana mitondra ny lohateny hoe « Tsy manambady papoety » izay entin’ny tarika hanehoana ny tsy fankasitrahan’izy ireo ny firaisana amin’ny saribakoly na « poupée sexuelle » izay efa ezahan’ireo firenena mandroso hampidirina tsikelikely eto amin’izao tontolo izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT