kolontsaina

Lapan’ny Tanàna Analakely Raikitra ny fanandratana ny nofin’izao tontolo izao


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Tontosa ny sabotsy teo tetsy anoloan’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, ny fanokanana ilay tsangamby hanandratana ny nofin’izao tontolo izao izay manana sakany sy lavany 8 metatra

 eo avy ary hatevina 2 metatra eo. Ilay mpanakanto iraisam-pirenena Malagasy sady nianatra haitaotrano, Joel Andrianomearisoa, no tompon’ny hevitra ary fiaraha-miasany sy ny ivon-toerana ara-javakanto ankehitriny na ny Hakanto Contemporary, izay rantsana ao anatin’ny Fond Yavar Houssen, miaraka amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra kosa no nahafahana nametraka izany manoloana ny lapan’ny tanana. Nanomboka ny volana febroary izao sy ny ekipako, hoy ity mpanakanto ity, no nanomboka niasa mikasika ity tetikasa izay efa naharitra herintaona ity. Manana fitiavana lalina an’Antananarivo ny tenako satria vintana lehibe ho ahy no teraka teto ny taona 1977. Toerana nahafahako nitombo sy nivelatra ary teraka teto toa ahy in-dray andro koa ny iray tamin’ireo kintan’ny kanto sy soratra Malagasy dia I Jean Joseph Rabearivelo. Ny irariana dia mba hanonofy antsika koa izao tontolo izao, hoy izy. “Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao” no soratra eto kosa, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, satria fotoana hanavotana an’Antananarivo izao. Avelao i Antananarivo hanonofy, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT