LANONANA FARAN’NY TAONA

Niakatra avo roa heny ny karaman’ny mpanakanto


  • Zoma 15 Desambra 2023

Kivy ny ankamaroan’ireo trano mpikarakara lanonana eto amintsika amin’izao

ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Raha araka ny fantatra mantsy dia saika nampiakatra ny karamany avokoa ireo mpanankato nantsoina ho avy hanafana ny fanaovam-beloma ny taona 2023 raha araka ny fanadihadiana natao. Raha 3 tapitrisa ka hatramin’ny 20 tapitrisa Ar izany tamin’ny taon-dasa dia efa tafakatra 5 tapitrisa ka hatramin’ny 40 tapitrisa Ar ankehitriny. Nambaran’ny mpanankato iray sendra anay fa ilay fiainana mihitsy no mihasarotra. Niakatra daholo ihany koa hoy izy ny saran’ny fitaterana ireo fanamafisam-peo, ny volan’ireo mpandihy…hany ka tsy maintsy mampiakatra ny karamany ihany koa izy ireo. Betsaka ireo trano mpikarakara lanonana nihemotra tsy haka mpanankato noho izany mandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona ho avy izao. Manodidina ny 60% eo ho eo izy ireo. Ny 40% sisa no mahasahy raha mbola baraingo ihany koa ny mety hahafenoany ny trano handraisany ilay lanonana. Tsy manam-bola avokoa mantsy ny ankamaroan’ny olona hany ka saika misafidy ny hiara-hikorana amin’ny fianakaviana ny ankamaroany. Manomboka amin’ny 100.000 Ar ka hatramin’ny 200.000 Ar isan’olona rahateo ny vola aloha ho fandraisan’anjara amin’izany izay tena tsy takatry ny ory. Ny fiatrehana ny fiainana mandritra ny volana Janoary rahateo mbola ady sy tolona, izay tsy miafina amin’ny rehetra.
Pati
Legende : Efa lasa volabe ny maka itony mpanankato itony amin’izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT