LAMAKO MIFETY ANDIANY VOALOHANY

Hafana ny fiarahana amin-dry Cesar rahampitso


  • Zoma 13 Desambra 2024

Hotanterahina rahampitso Sabotsy 14 Desambra ilay hetsika Lamako Mifety andiany voalohany

karakarain’ny Lamako Event, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina. Natao indrindra hanomezan-danja ny sehatry ny mozika ho an’ireo mpanankato aty amin’ny ranomasimbe Indiana izy io, raha araka ny fanazavan-dRtoakely Santatriniaina Fanou, mpitantana no sady mpanorina ny Lamako Event. Raha tsiahivina kely dia ivon-toerana mpikarakara hetsika ny Lamako Event. Tamin’ny taona 2011 izy no niorina ka ankoatra ny fikarakarana fampisehoana goavambe tahaka izao dia mikarakara Festival sy karazana atrikasa ihany koa izy ireo. Na izany aza dia tsy mijanona hatreto fa miroso hatrany eo amin’ny sehatry ny fivoarana ny Lamako Event. Mba hialana amin’ny fotoana lany ateraky ny fitohanana eny an-dalana ….dia amin’ny alalan’ny vente en ligne no hivarotan’izy ireo ny tapakila no sady hampianarana ny mpanjifa ireo fahalalana fototra tsara ho fantatra amin’ny famenoana izany ihany koa. I Cesar sy Rackiky moa no ho avy hanafana ny lanonana arahin’i Goulam mpanankato vahiny izay nafaran’izy ireo manokana. Hisokatra amin’ny 11 ora atoandro ny vavahady.
Pati
Legende : Ireo mpikarakara nitafa tamin’ny mpanao gazety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT