kolontsaina

Lalao hahazoana loka goavana Betsaka ireo mitsapa vintana


  • Talata 08 Mey 2018

Betsaka ireo olona maniry ny hanana fiara eto amintsika. Mila vola hatrany amin’ny 8 tapitrisa Ar anefa raha te-hanana ireny fiara madinika kely mba tsaratsara ireny.

Ny fahafahana ny hanao izany mihitsy anefa no tsy misy ho an’ny tokantrano Malagasy, antony manosika ny ankamaroan’ny maro hitsapa vintana amin’ireny karazana kilalao maro samihafa ireny. Anisan’ireny ny lalao Fun quizz izay sady manita-pahalalana ho an’ireo manao izany no mety hahazoana fiara ihany koa. Renim-pianakaviana iray antsoina hoe : Rakotovao indray no nitsikian’ny vintana tamin’ity andiany faha-26 ity. Izy no nibata ny amboara lehibe indrindra satria dia fiara Fiat Punto no azony, fanomezana avy amin’ny Airtel. Ankoatra izay, olona efatra hafa ihany koa no nahazo tombontsoa toa an-dRambolavololona Andriatsilaza, Rafanomezantsoa Haja ary Ranariarimanana Fetra Nomena Aimée. Tanjon’ny mpikarakara moa raha araka ny fanazavan’Atoa Maixent Bekangba ny hanomezana tombony manokana ireo mpanjifany manerana ny Nosy.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT