kolontsaina

Ladies’Circle N°6 Nanampy ireo ankizy sahirana teny amin’ny EPP Alarobia


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

« Fifankatiavana sy fifanampiana » no teny filamatry ny fikambanana Ladies’Circle Madagascar (LCM). Ho fanatanterahana izany indrindra no nahatonga ny Ladies’Circle N°6 (LC6) zana-tsampana ao anatiny nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana teny amin’ny EPP Alarobia ny sabotsy teo.

 

 Kilalao sy vatomamy amin’izao herinandro mialoha ny fetin’ny noely izao no azon’izy ireo. Mba nahazo ny anjarany ihany koa ireo ray aman-dreny nanatrika. Ny tena lehibe dia ny fanoloran’ny LC6  boky ho an’ny sekoly ho fanampiana ny ankizy amin’ny fianarana. Fanambin’ny fikambanam-behivavy ny hanatanteraka asa sosialy, koltoraly mba ho fitondrany ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina sy ny fiainam-bahoaka. Voalohany koa ho an’ny Ladies’Circle N°6 ny hetsika tamin’ny sabotsy fa ny manetsa be mbola ho avy satria efa vonona ny tetikasa ho an’ny taona 2018. Marihana fa nitsangana ara-dalàna tamin’ny 22 aprily 2017 ny Ladies’Circle Antananarivo N°6 .

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT