LA VOIX DE TANJOMBATO

Norombahin'i Malala ny amboara


  • Talata 23 Septambra 2025

Tontosa soa aman-tsara afak'omaly Alahady 21 Septambra

rehefa naharitra herinandro maromaro ilay fifaninan-kira La Voix de Tanjombato andiany voalohany, nokarakarain'ny kaominina Tanjombato notarihin'ny Ben'ny tanana Rakotoniaina Frédéric. Nivoaka ho mpandresy sady nibata ny amboara tamin'izany i Malala ilay tovovavy kely vao 14 taona monja avy ao amin'ny Fokontany Tongarivo. Raha tsiahivina kely dia niainga teny anivon'ny Fokontany ity fifaninanan-kira nitiliana ireo ankizy sy rmtanora mangafeo indrindra 5 ka hatramin'ny 30 taona. Samy nandray anjara avokoa noho izany ireo Fokontany miisa 5 ka nahatratra 250 isa ireo mpandray anjara teny am-piandohana. Miisa 25 sisa izy ireo noho izany no niatrika ny dingana famaranana afak'omaly. Lela-vola 1 tapitrisa Ar no azon'i Malala noho izany.6 hetsy Ar ny laharana faharoa raha 2 hetsy Ar ny laharana fahatelo. Ny mba hahafahana mampiala voly sy mitily ireo tanora manan-talenta ao aminy no tanjon'ny kaominina. Mikasika ilay tovovavy kely avy ao Tanjombato nibata ny amboara tamin'ny fifaninanan-kira nokarakarain'ny vata fahitalavitra iray tsy miankina eny Avaradrano moa dia fantatra fa manohana azy tanteraka amin'ny fivoahana any Rosia amin'ny datin'ny 04 Oktobra ho avy izao ny kaominina.
Pati
Légende : I Malala, ilay tovovavy tsara feo indrindra tao Tanjombato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT