kolontsaina

“Kôpi Kôlé” sy “découverte” 2019 Lasan-dRa-Tin « Rossy » sy Mamiana


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Nikatona tamin’ny alalan’ny fampisehoana lehibe tao amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fifaninanana ara-java-kanto sy « Kôpi Kôlé » “Découverte” 2019,

nokarakarain’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus Madagascar. Nandrombaka ny « Kôpi Kôlé 2019 » Ra-Tin avy any Fianarantsoa, « Kôpi Kôlé Rossy», raha toa ka i Mamiana, ilay tovovavikely vao 14 taona no nandrombaka ny sokajy “Decouverte”. Nambabo ny fon’ny mpijery sy ny mpitsara ary ny mpanatrika kosa i Mi-Dera Glôpôpôpy avy ao Antsirabe, ka izy no voafidy ho « Coup de cœur » teo amin’ny sokajy « Découverte », ary ny sokajy « Kôpi Kôlé » kosa dia i Hery avy any Moramanga, nanao « Kôpi Kôlé » Jaojoby.  Nanohana be an-dRa-Tin na tamin’ny fihirana, fiantsehatra eny ara-pitaovana zavamaneno (angorodao sy gitara) i Rossy. Nankasitraka ny zava-bitany sy ny firaisankinan'i Fianarantsoa nanohana azy ihany koa ny Governoran’i Matsiatra Ambony tamin'izao fandresena azony izao. Ankoatra ireo fanomezana samihafa azon’ny mpandresy avy amin’ireo mpanohana ny fifaninanana dia loka lehibe ho azy efatra mianadahy mpandresy tamin’ity andiany 2019 ity ireo ny fitsidihana ny tanànan’i Addis Abeba, renivohitr’i Ethiopia, miaraka amin’ny kaompania Ethiopian Airlines sy ny TV Plus mpikarakara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT