kolontsaina

Kopi kolé Andry Rajoelina Notoloran’i Naivo Raholdina 1 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Noraisin'ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, mivady miaraka amin'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny amin'ny boriboritany fahadimy ny Kopi kolé Wada sy Yoongs,

 izay mpandresy no sady nomena ny amboara “coup de coeur” na nampihetsi-po ny mpitsara sy ny mpijery tamin’ity lalao fandikana mitovy olo-malaza nokarakaraina fahitalavitra rahavavy iray ity ny sabotsy 5 novambra teo. Satria moa loka miisa 4 no nozaraina tamin'ny lalao dia notoloran'izy mivady ny loka fahadimy izay nomeny ny anarana hoe "Coup de foudre" an’ny boriboritany fahadimy ny talenta “Président Andry Rajoelina”. Hita, hoy izy, fa talenta isany tena niavaka izy satria raha vao niditra ny sehatra izy dia nitehaka sy nihora-pifaliana ny Coliseum iray manontolo teny Antsonjombe, izay ao anaty boriboritany fahadimy rahateo. Vola 1 tapitrisa Ariary, mitovy amin’ny lokan'ilay “coup de coeur” ihany koa no natolotr’ity solombavambahoaka ity azy ary mbola niampy mari-pankasitrahana ho azy 3 mirahalahy, mofo mamy, ary vola tsodrano ho an’ireo dika mitovy an’i Wada sy Yoongs, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT