kolontsaina

KOPI KOLE 2022 Nanao poa-droa ry Wada sy Yoongs


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Nifarana tamim-pomba ofisialy omaly alahady 30 oktobra rehefa naharitra am-bolana ilay lalao fifaninana Kopi kole nokarakarain’ny Tv Plus Madagascar manerana ny Nosy.30 moa ireo tafiakatra tamin’ny famaranana,

ka nahazo ny prix découverte 2022 i Konny J avy eto Antananarivo, nahazo 4 tapitrisa ariary avy amin’ny Tv plus Madagascar ary 2 tapitrisa ariary avy amin’ny groupe sodiat, loka maro samihafa avy amin’ireo mpanohana .Nahazo ny prix talenta i Emmanuel, accrobate, nahazo 4 tapitrisa ariary avy amin’ny tv plus madagascar miampy 2 tapitrisa ariary avy amin’ny groupe sodiat . Ho an’ny loka goavana Prix kopikole 2022 kosa dia norombahan-dry Wada sy Yoongs ka lasan’izy mirahalahy izany ny iray tapitrisa ariary avy amin’ny TV Plus miampy 2 tapitrisa ariary avy amin’ny groupe sodiat .Mbola miampy fivahinianana hiantohana tanteraka mankany Dubai miaraka amin’ny mpanakanto wada sy yoong’s nalainy tahaka dia nahazo 2 tapitrisa ariary avy amin’ny tv plus madagascar. Ny prix coup de cœur avy amin’ny mpijery teny amin’ny Coliseum Antsonjombe dia mbola azon’ny kopikole Wada sy yoongs ihany koa. Nanao poa_droa izany ry Wada sy Yoong’s tamin’ity fifaninana ity.Nihazo avy hatrany an’i Mananjary ireo mpifaninana rehetra hitsangatsangana sy hanafana ny fety any an-toerana
Pati
Legende : Handeha ho an’ny Dubai ny Kopikole Wada sy Yoong’s
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT