kolontsaina

Kopi Kole 2017 Norombahan’i Miora ny fandresena


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Nikatona tanteraka omaly alahady 19 novambra 2017 ny fifaninanana kopi kole nokarakarain’ny fahitalavitra TV Plus Madagasikara. Norombahan’i Miora, kopi kole Tahiry avy eto Antananarivo ny loka lehibe.

Fitsidihana an’i Budapest renivohitr’i Hongrie no loka lehibe azony ankoatra ny fanomezana maro samihafa toy ny fikojakojana fiara, fahafahana manohy fianarana, miampy fanomezana hafa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana ny fandaharana izay nitovian’ireo mpifaninana 20 mianadahy tafiakatra tamin’ny dingana famaranana natao omaly teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Nahazo ny Découverte Madagasikara 2017 kosa i Tsilira, ilay mpanakanto avy any ambanivohitr’i Toliara. Azony ny fitsidihana an’i Paris renivohitr’i Frantsa. Mbola avy any Toliara ihany no nahazo ny Coup de Cœur 2017 dia i Fredo. I Jacky Randria avy any Antsirabe no voahosotra ho Découverte 2017. Izy mirahalahy ireo moa dia samy nahazo tapakilam-piaramanidina ka hitsidika an’i Bangkok renivohitr’i Thailande. Tsy misy kopi kole amin’ny herintaona satria hiatrika fifidianana ny firenena ka tsy hanembantsembana izany izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny TV Plus Nicolas Rabemananjara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT