kolontsaina

Kolontsaina sy zava-kanto Malagasy Tafajoro ny vovonan’ny mpanao vakodrazana


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny Tobim-pahasalamana Andry ny Aina Ambatoroka, ny fijoroan’ny Vovonan’ny mpanao vakodrazana Malagasy, izay nijoro ny 23 martsa 2018 teto Antananarivo, ka filoha mitarika izany dia Atoa Rakotoarison Joseph.

Miisa 15 eo ireo tarika mpanao vakodrazana ao anatiny, toy ny Akon’ny Diary, Felan’oliva Ra Jean-Knack, Bitsiky ny Voahary, Raozin’i Gasikara, Ny Vonimboahangy, Randria Ernest Zanany, Rakoto Frah Zazanavela, Ny Voninavoko, Andry Mahitsy, Rabe Jean Miarinarivo, Ravelo Jean Baptiste, Randrianasolo Raymond zanany… Tanjona ny hamelo-maso sy hampiroborobo ny vakodrazana sy kolontsaina Malagasy ary hampita fanilo ho an’ny taranaka faramandimby. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahalalana sy fahaiza-manao ka hahatonga ny mpikambana ho matihanina eo amin’ny sehatry ny kanto Malagasy ary handray anjara feno amin’ny asa fampandrosoana maharitra eto Madagasikara. Mpikambana feno ao anatin’ny Tambazotram-pikambanana mpanao tantsoroka ho an’ny fampandrosoana eto Madagasikara “RAZADE”, tarihin’ny Dr Céléstin Razafindrakoto ity vovonana ity, izay hanome tantsoroka momba ny teknika ho an’ny resaka fandraharahana sy famoronana tetikasa satria asa fandraharahana ny fanaovana vakodrazana, hoy izy. Manana ny politika ara-koltoraly 2007-006 tamin’ny volana aogositra 2006 isika, ka mila hampiharina  tsara io.

 


 

Nangonin’i Toky R                                                     

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT