kolontsaina

Kolontsaina sy vakoka Hofanina ireo mpiandraikitra mozea


  • Zoma 07 Jona 2019

Manaraka fiofanana mandritra ny roa herinandro amin’izao fotoana ireo tompon’andraikitra sy mpiasa eo anivon’ireo tranombakoka na mozea eto Madagasikara.

 

 

 

Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny masoivohon’i Japon, ny Unesco ary ny ICOM no hahafahana manao izany. Hisokatra amin’ny volana novambra 2019 ireo mozea miisa 26 manerana ny nosy saingy misy aloha ny fiofanana tsy maintsy arahan’ireo mikirakira sy mikolokolo azy .Misy mantsy ny teknika miavaka sy fomba fiasa manokana amin’ny fikojakojana ireo vakoka, ary tena mila fitandremana be ny fikirakirana azy ireo, araka ny fantatra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahina teny Andafiavaratra omaly.1400 ireo vakoka avy ao amin’ny Rovan’Antananarivo tehirizina ao amin’ny lapan’Andafiavaratra raha araka ny fantatra. Hiparitaka manerana ny nosy hampihatra ny fiofanana nataony ireo mpiandraikitra ny mozea aorian’io roa herinandro io. Tanjona ny hananan’ny faritra rehetra manerana ny nosy Mozea na tranombakoka manara-penitra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT