kolontsaina

Kolontsaina sy vakoka Azon’i Madagasikara ireo entana natao lavanty tany Londres


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Hody an-tanindrazana ireo ny tahirim-bakoka natao lavanty tany Londres omaly

 

rehefa nandresy tamin'ny fanaovana ny tolobidy ny Fanjakana Malagasy. Hoy ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny pejiny fesiboky: "Mifanindran-dalana amin’ny fitiavako manokana ny tantaran’ity firenentsika ity sy ny fitiavana sy finiavako hamela lova ho an’ireo taranaka dimby sy fara dia nanaraka akaiky ny lavanty natao tany Londres ny tolakandro teo ny tenako. Hatrany am-panombohany ka hatrany am-piafarany no nanarahako ireo tombam-bidy sy adivarotra, ary ankafaliana no izarako eto fa nandray anjara sy nandresy tamin’izany ny fanjakana Malagasy. Hiverina, ho tafody tsy ho ela eto an-Tanindrazana haka ny toerany eo anilan’ireo vakoky ny tantarantsika ireo harem-pirenena Malagasy ireo ho an’ny hambom-po sy fiandrianam-pirenena". Tsara no manamarika fa tsy maintsy nirosoana ny lavanty noho ireto vakoka ireto izay efa lasa fananana olon-tsotra ka tsy afaka nifampiraharahana tamin`ny Fanjakana Britanika. Na dia izany, zava-dehibe ny fananana ireny vakoka sy tahiry ireny ho an` ny tantaram-pirenena satria izany dia mirakitra ny vakoka Malagasy sy ny kolotsaina Malagasy, indrindra ny hasina maha-malagasy.

 

 Lavanty izay nahitana ny akanjon’i Ramisindrazana, nenitoan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Natao lavanty tao ihany koa ireo sary sy soratanan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony, taratasy isan-karazany nifandefasan'izy roa tonta nandritra ny sesitanin'ny Mpanjakavavy tany Algérie taorian'ny nialany teto Madagasikara teo anelanelan'ny 1897 ka hatramin'ny 1924, miampy ireo kojakoja manokana fampiasan’ny Mpanjakavavy Ranavalona III.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT