kolontsaina

Kolontsaina sy soatoavina Malagasy Namoaka mpikabary an-jatony ny Katolika


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Miezaka ny manandratra ny kolontsaina Malagasy hatrany ny Eglizy Katolika.

Namoaka mpianatra mpikabary  miisa 653 mianadahy indray izy ireo ny sabotsy teo,  10 ka hatramin’ny 75 taona notarihin’ny filoha nasionaliny Rakotomalala Réné. Tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana ny lanonana misalotra ny anarana  andiany indray mihira: “Masindahy Josefa”.  Nianatra nandritra ny sivy volana izy ireo. Afaka misedra avy hatrany ny tontolon’ny asa momba ny kabary rehetra, eny fa na dia ireo ankizy madinika aza. Mampiavaka azy ireo ny fahaizany mampiaraka ny taninketsan-tsoatoavina sy ny fivavahana Kristianina, hoy Rakotomalala Réné. Anisan’ny tanjony koa ny hampita amin’ny tsirairay ny kolontsaina Malagasy sy ny  fanabeazana mba hahatonga ny  rehetra eny anivon’ny fiarahamonina  ho olom-banona. Tanjon’ny fikambanana ny hanitatra azy ity any Mahajanga, Fianarantsoa  amin’ity taona 2017 ity. Efa ahitana azy ireo kosa ny amin’ny diosezin’Antsirabe, Miarinarivo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT