kolontsaina

Kolontsaina Malagasy Mampanahy ny hoaviny


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Fanarenana ny rova, mpanao hatsikana malaza lasa tale jeneraly misahana ny kolontsaina, fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny kolontsaina manoloana ny fiparitahana horonantsary tsy mifanaraka amin’ny soatoavina Malagasy.

 

 Ireo amin’ny ankapobeny no nanamarika ny iray volana mahery kely nisian’izao fitondrana izao raha tsy hiresaka afa-tsy ny kolontsaina sy ny tontolony. Nanamarika ireo mpandala sy mpandalina ny vakoka ilay resaka voalohany satria tsy misy maha vakoka azy intsony raha toa ka ovana amin’ny endriny hatramin’izay. Ho hita eo izay fizotr’ity fanarenana hataon’ny minisitera ity na hanaja fenitra na hanao toy ny natao tamin’ny tohatohabaton’Antaninarenina sy Analakely indray. Mikasika ilay resaka farany kosa dia naneho ny fanahiany ireo mpanakanto. Ho an’ny mpihira, Elidiot, ohatra, dia nilaza izy fa na dia ezahany ho mananatra hatramin’ny rakitsariny aza fa tsy hira fotsiny dia hitany kosa fa sarotra ny manakana tampoka io zava-misy io. Tsy voatazona io raha mamela malalaka ny fivoarana isika, hoy izy. Ny mpiangaly mozika nentin-drazana, Tah’ Manana ihany koa dia nanamafy tamin’ny alalan’ny filazana fa rivotra mitsoka avy any ivelany io. Nisy diso, hoy izy, ny fitantanana ny kolontsaina teto hatramin’izay ary tokony haverina ihany ny sivana amin’ny onjam-peo. Hamoaka ny rakikirany fahatelo izay hiarahany amin’i Miary Lepiera ao amin’ny tarika Njava ary manafangaro ny Beko sy ny Ba gasy moa ny tarika Manana tarihiny.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT