kolontsaina

Kitoatoa amin’ny fikitihana ny Rova “Mampianjera fitondrana sy mahafolaka an-datony”


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Ny 27 janoary taorian’ny fotoam-pivavahana nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika notarihin’ny filoha sy ny teo anivon’ny governemanta no nilazan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa hatao izay hahavitan’ny Rovan’i Manjakamiadana hatramin’ny volana jona 2020.

 

 

 

Tsikaritra fa tsy hita teny an-toerana ireo taranak’andriana sy ny ampanjaka. Ny pasitera Tolotra Ratefy izay mpikambana ao anatin’ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara no anisan’ny nitarika ny fotoam-pivavahana teny Anatirova tamin’iny fotoana iny, hoy ny Prince Dr Ndriana Rabarioelina filohan’io fihombonam-be io tamin’ny fakana ny heviny momba ny fikitihana ny Rova. Ny fanarenana ny Rovan’Antananarivo misy ny Lapan’i Manjakamiadana sy ireo lapa hafa rehetra dia tokony hatao tokoa, kanefa tokony hanaraka ny soatoavina sy ny kolontsaina Malagasy, hoy izy. Nahitsy ny tenany nilaza, fa tsy azo ataotao foana io, ary betsaka ny ota fady natao tamin’io toerana io, ka tsy azo ekena intsony ny manao zavatra tsy tokony hatao eny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana ireny afomanga ireny, izay tsy misy fifampiherana akory, raha ny nambarany. Raha hanao izany dia fanarenana ny Lapa no tokony hatao fa tsy fanavaozana. Haverina amin’ny nisy azy taloha, ka misy fepetra tsy maintsy arahina. Tsy izay fepetra avy amin’ny vazaha fa ny fepetra manaja ny soatoavina. Tamin’ny fananganana ny Lapa Manjakamiadana sy ireo hafa ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, dia efa misy ny karazan’olona manamboatra azy. Ohatra amin’izany ny mahakasika ny hazo rehetra, izay iantsorohan’ny Andriantompoikoindrindra. Ny mikasika ny volafotsy dia ny Andriandranando, ny volamena dia ny Zanadralambo,… Misy zavatra mila arahina fa tsy atao kitoatoa ka hentitra izy nilaza fa mahafolaka an-datony ary mampianjera fitondrana ny fanaovana zavatra tsy mety amin’io Rovan’Antananarivo izay toerana masina io. Tsy maintsy ary mila miera amin’ny Fihombonamben’ny Apanjaka eto Madagasikara, hoy ity filohany ity hoe: ahoana ny fomba hanarenana an’io Rovan’Antananarivo io satria izahay no mitazona ny Lakile mikasika ny fanamboarana an’io, ka tsara ilay eritreritra fa tsy maintsy mifampiresaka aminay mba tsy hanaovana zavatra kitoatoa, hoy hatrany izy. Manoloana ny loza samihafa, dia tsy misy ny zavatra kisendrasendra fa matoa nihotsaka ny tany tamin’ny 19 janoary, dia nisy ota fady tao raha ny nambarany. Samy mandini-tena ny tsirairay.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT