Kilalaon-tsaina vaovao

Namorona daomy misy «double 8» Razakavola Gabriel


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Anisan'ny kilalaon -tsaina mahasarika sy andanian'ny fianakaviana andro ny milalao daomy.

Hatramin'izay dia daomy manana marika ambony indrindra 6 in-droa miverina na "double 6" no filalaon’ny mpianakavy sy ny mpinamana. Ankehitriny kosa dia namorona kilalaon-tsaina vaovao, izay lalao daomy ihany saingy ahitana isa 8 in-droa miverina fara faha amboniny kosa, izany hoe " double 8" i Razakavola Gabriel, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ho an'ity daomy ity dia lasa miisa 45 ireo vato lalaovina. 9 ny eny an-tanana ary mitombo, lasa miisa 4, ny mpilalao. Nandritry ny fotoana fihibohana noho ny fipariahan’ny aretina COVID 19 no namoronan’ity malagasy ity izany lalaon-tsaina vaovao izany, raha ny fanazavany. Ny hirariana moa dia ny mba hipariahan’izany kilalaon-tsaina vaovao, izay heverina fa tokony ho reharehan’ny firenena malagasy izany, maneran-tany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT