kolontsaina

Kianja Masoandro « Tsy misy asa miato izany ! », hoy ny minisitra


  • Zoma 03 Jolay 2020

« TSIA, tsy misy asan'ny Kianja Masoandro miato izany mihitsy e! », hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny tambazotra sosialy facebook.

 

 

 

 Fanazavana miendrika fanambarana mandiso ireo resaka sy fanehoan-kevitra miely, ka nametrahany fanontaniana hoe : « Fa inona ihany ity fitiavana manely tsaho ity? ». Raha ny fazavany dia « efa vita aza ny asa ho an'ny Colas, efa nanao manala ireo fitaovana nampiasany teny ny orinasa, na amin'ny Lapan'i Manjakamiadana na amin'ny Kianja Masoandro. Efa vita ny asany ». Nilaza mahitsy ny heviny mikasika ny fanorenana io Kianja Masoandro ny filoha teo aloha ny amiraly Didier Ratsiraka raha nivahiny tamina fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny 1 jolay 2020, ka nilazany fa « tsy maha laharampahamehana » io, manoloana ny fisian’izao valanaretina coronavirus eto amin’ny firenena izao. « Tsara rehefa nihantona ny asa », hoy izy. Nampiany fa « tokony nifampiresahana mialoha amin’ny tompony » ny fanamboarana toy ireny. Tao amin’ny fanazany ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy dia manohy fa « efa hiditra amin'ny loko anatiny sy ny famonosana vato ny ivelany sisa », ny asa eny Anatirova fa « miandry pitsopitsony ara-taratasy sisa noho ny maha-tsenan'asam-panjakana azy ireo vondron'asa miisa roa ireo ».

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT