kolontsaina

Kianja Masoandro “Tandindon’ny fisaharaham-bazana”


  • Talata 02 Jona 2020

Nisy ny fandaharana tamina fahitalavitra tsy miankina iray nataon’ny Pr Raymond Ranjeva sy ny Jeneraly Ramakavelo izay samy ao anatin’ny Akademia Malagasy, ary ny Atoa Hery Rasaona mpitahiry vakoka,

 

 

 

 ka isan’ny noresahina betsaka ny raharaha Kianja masoandro na ny « colisée ». Nanazava ny Pr Raymond Ranjefa fa taona 2000 dia efa nisy tatitry ny komity momba ny fikarakarana ny famerenana amin’ny laoniny teny Anatirovo. Niainga tamin’ny fandinihana nataona manam-pahaizana maro lafy nataon’ny komitim-pirenena momba ny vakoka. Manana ny antontan-taratasy mikasika ny famerenana amin’ny laoniny ny rovan’Antananarivo, ary nomena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny 15 febroary 2019 ny tatitry ny dingana efa vita, izay hotohizana. Herintaona taty aorian’ny nandraisan’ny Minisitra anay, dia io zavatra hita io no nitsangana. Tsy misy niresaka “coliseum” izany, fa ny hasin’Anatirova no noresahina, hoy izy. Miangavy ny hanajana ny fahamasinana sy ny hasina satria io no mampiray ny Malagasy. Ny mpanjanantany no nanova ny rafitra nentina nanotana fady. Rehefa tonga ny jeneraly Gallieni dia namindra ny taolambalo avy eny Ambohimanga nafindra teny amin’ny Rova, dia nafindra ny fitomiandalana, izay teo ny menalamba no nanasina. Tsy misy afatsy ny mpanjaka ihany no afaka nanao ny fanatsarana tao amin’ny Rova satria izy no mpiadidy. Ao anatin’ny faritra masina no misy ilay “colisée”, izay manazimbazimba ilay toerana. Ny vakoka dia natao hampiombona, hijanona ho an’ny tantara, ka ny hahafantaran’ny olona Filoha Rajoelina izany dia hoe nanangana zavatra mampisara-bazana ny Malagasy raha amin’izao fotoana izao. Vakoka hampisara-bazana ve izany no hapetraka eto sy havela eo? hoy izy. Nilaza kosa ny Jeneraly Ramakavelo, fa ny vakoka dia lova napetraky ny razana ka hifandimbiasan’ny taranaka mifandimby. Mitahiry ny maha vakoka azy. Izany “colisée” any Roma izany dia tena malaza eran-tany. Kianja fialam-bolin’ny mpitondra fanjakana Romanina io, ka anisany ny gladiateurs, ampiadiana ka tsy mijanona raha tsy misy maty. Famonoana ny kristianina nofatorana havela hoviravirain’ny liona. Tandindon’ny fandatsahan-drà izany, rah any heviny. Raha mbola apetraka amin’io toerana io, dia hisavorovoro foana ny Malagasy. Endriky ny savorovo, endriky ny fisaraham-bazana. Manda tanteraka 100% mihitsy aho amin’ny maha “amis du patrimoine”, hoy ny Jeneraly Ramakavelo. Ho an’Atoa Hery Rasaona kosa, dia raha Malagasy mahatsiaro tena fa notezaina tamin’ny foto-pisainana Malagasy, dia tsy mety ny manao zavatra mihoatra ny maha izy azy anao. Mariky ny fiombonam-pirenena io Rova io. Ny fanovana ny endriny, dia efa misy akony lehibe. Raha vao mikitika amin’ny kolontsaina sy ny endriny ivelany dia efa tsy mety.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT