kolontsaina

Keron Idealson “Tsy azo ekena fanohintohinana ny hasina maha olona”


  • Talata 06 Jolay 2021

Ilay hasina maha olombelona no voatohintohina, ny fomban’ilay foko , ny fomban-tany no voahosihosy ka tsy azo ekena kosa izany,

 hoy ny depiote Keron Idealson voafidy tany Ampanihy momba ilay fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety Gaelle Borgia tany Atsimo, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavitra Real TV omaly.Tsy mety ary tena tsy rariny ny fanimbazimbana ireo mpiray tanindrazana tratry ny kere any Androy fa hoe nihinana faladian-kiraro hoy ity olom-boafidy ity; tsy hoe manao tambabe manenjika ilay mpanao gazety fa tsy maintsy ampahafantarina azy kosa hoe izao sy izao ny fomba.Tsy misy fanakanana mpanao gazety eto, tsy misy sivana fa mba tokony mahafantatra ny ataony kosa ny mpanao gazety rehefa manao ny asany.Ny tenako manokana dia anisan’ny mpisintona lakolosy sy mpanaitra amin’ny zavatra tsy mety na tsy mandeha araka ny tokony ho izy, mpanaitra amin’ny kere sy ny fahasahiranana ihany koa saingy efa nifampierako tamin’ireo mponina voakasika ny sary avoakako.Tsy maintsy manao izany aho sao misy fomba nakako sary na firafitry ny fehezanteny lazaiko manohintohina ireo olona ireo sy ny fombany, hoy ny depiote Keron Idealson.
RTT
8 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT