kolontsaina

Karandohan’ny Printsy Ratsimamanga Isan’ny notazonina ao amin’ny mozean’i Paris


  • Zoma 06 Novambra 2020

Ny kabeso na karandohan’ny mpanjaka Toera dia nentin'ireo mpanjanaka any Frantsa rehefa avy nanao fampandrian-tany tany Menabe izy ireo ny taona 1897,

 

 

 

raha ny voarakitry ny tantara, ary naranty ao amin'ny Tranom-bakoka na ny “Musée de la Science” ao Paris renivohitra Frantsay hatramin'izao. Efa nisy fitakiana nalaza ny amin’ny tokony hamerenana izany nataon’ny zanak’iny faritra iny ny taona 2016. Tahaka izany ihany koa ny an’ny printsy Ratsimamanga izay isan’ireo Printsy nasain’ny jeneraly Gallieni notifirina teny Andohalo niaraka tamin’ny minisitry ny atitany tamin’izany fotoana, ny Printsy Rainandriamampandry ny 15 oktobra 1896. Ny heloka izay niampangana azy ireo dia ny hoe nanohana ambadika ireo mpikomy Menalamba, raha fintinina hatrany ny tantara, ary isan’ny voambara fa mbola taraiky any amin’ity mozea voalaza teo ity ihany koa ny karandohan’ity farany. Fanontaniana mipetraka noho izany ny hoe ahoana indray koa izany ny momba an’ireo? Raha tahiany ka ho tafaverina eto koa ve dia hanaovana lanonana toy iny omaly iny? Fotoana fandraisam-bakoka sy fisehosehoana hatrany ve izany no tena hibahan-toerana anatin’ity fitondrana ity fa ny tena fampandrosoana ho baraingo lalandava? Ny vakoka eto an-toerana amin’io hatramin’ny mpampianatra mpikaroka sy fikambanana maro no efa mitabataba hoe verezina hasina sy otana fady. Maha lasa saina ihany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT