kolontsaina

Karaman’ireo mpitsoka mozika 6 hetsy Ar isan’andro eo rehefa famadihana


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Tsy araka ny nanampoizana azy ny karama raisin’ireny mpitsoka mozika ireny amin’izao vanim-potoanan’ny famadihan-drazana izao.

Mahatratra 6 hetsy Ar isan’andro mantsy ny vola raisin’izy ireny izany hoe : tafakatra 9 hetsy Ar raha telo andro misesy izy manafana lanonana famadihan-drazana iray. Fololahy eo ho eo izy no manao io asa io koa raha mbola entina mandeha amina toerana iray misy ilay fasan-drazana izy ankoatra ny famalifaliana eo an-tanana dia mbola hiantohana ihany koa ny fiara handehanany. Ankoatra ireo dia mbola hiantohana ihany koa ny sakafo hanin’izy ireny. Raha iray lovia isan’olona izany amin’ny ankapobeny dia roa lovia isan-dahy ny azy ireny miaraka amin’ny toakakely raha misy izany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitsoka mozika iray dia tena mahavelona ity asa ity amin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa miankina amin’ny traikefan’ilay mpitsoka mozika ihany koa no hakan’ny olona azy na tsia. Rehefa tapitra indray ny vanim-potoanan’ny famadihana dia mandeha mitsoka mozika mitety tanana izy ireo ka mahazo hatrany amin’ny 50.000 Ar isan’andro raha kely. Dimy lahy indray izy ireo no miaraka manao izany asa izany. Tsy mametraka mari-bola izy ireo mandritra izany fa izay foin’ny olona no raisiny saingy misy amin’ireto farany no mahavita manome hatrany amin’ny 20.000 Ar rehefa tena tiany ilay fitsofana mozika laroina amin’ireo karazan-kira malaza ankehitriny.
Pati
Legende : Mahazo volabe ny mpitsoka mozika rehefa fotoanan’ny famadihana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT