kolontsaina

Kanto mahakasika fiarahamonina Notolorana marim-pankasitrahana ireo mendrika


  • Zoma 27 Janoary 2023

Taorian’ny andiany voalohany ny taona 2020 dia notolorana ny mari-pankasitrahana noho ny kanto nasehon’izy ireo

teny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka indray omaly ireo mpanan-talenta 6 mianadahy mendrika indrindra tamin’ny andiany faharoa tamin’ilay tetikasa mitondra ny lohateny hoe “Demain sera mien”. Hetsika natao hanampiana ireo mpanakanto mivelona amin’ny zava-kanto izy ity, hoy ny fanazavan’ireo mpikarakara. Finiavan’ny filoha nanorina ny Fonds Yavarhoussen, Hasnaine Yavarhoussen, no niatombohany. Andrin’ny fampandrosoana firenena iray ny kanto sy ny kolontsaina. Maherin’ny 40 isa no nametraka tetikasa kanto tato fa 6 mianadahy no nomena ny amboara saingy 4 ihany no hitanareo eto fa ny 2 nandranto fianarana any ivelany, hoy ny fanazavana. Ny zavakanto mikasika ny jery na “art visual” no nojerena tamin’ity “Demain sera mien 2” ity. Ny andiany voalohany kosa nijerena ny karazana kanto misy rehetra. Ankoatran’ny fihavahan’izy 6 mianadahy eo amin’izay lafiny izay dia hita ho mahakasika ny fiarahamonina ny kanton’izy ireo sy ny lohateniny. Volana Raveloson na Ms V nitondra ny tetikasa mitondra ny lohateny hoe “I am a woman of color”. Fitia Randriamifidy na Sanka nitondra ilay hoe “Ireto maso mijery ahy, mibanjina anao mampitamberina”. Rose Kely Ranarivelo nitondra ny “Tsarasaotra”. Richianny Ratovo nitondra ny “Saribakoly vorodamba”. Andy Rasoloharivony nitondra ny “L’urgence de la foi” ary Fitiavana Ratovo nitondra ny “Iray lalana”. Mitentina 7 tapitrisa Ariary moa izany fanampiana azy ireo izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Legende: Izy 4 mianadahy isan’ny sangany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT