Kalon’ny fahiny tendrena amin’ny gadona Jazz

Tongan’ny Weaver Trio hatrany ivelan’i Madagasikara


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Nihaona tamin'ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga ireo ekipa mandrafitra

ny tarika Weaver Trio, izay misehatra amin'ny fitendrena zava-maneno, gadona Jazz, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Izany dia nahitana an'i Rakotonirainy Njaka, eo amin’ny vatamaroafitsoka, mpampianatra ao amin'ny Iarivo Art & Music Academy, sy Rakotondravohitra Josia, eo amin’ny amponga maro anaka, mpampianatra ao amin'ny Aponga Music & Drum School. Voaresaka nandritra ny fihaonana ireo endrika fiaraha-miasa maro azo tanterahina. Ny mampiavaka ny Weaver Trio dia ny fitendrena ireo hira kalon'ny fahiny amin'ny gadona Jazz, izay mampifanindran-dalana ihany koa ny kolontsaina fonosin' izany eto Analamanga. Efa mitondra izany seho izany hatrany ivelany izy ireo fa tsy eto Madagasikara ihany. Ankoatran’izay, nilaza izy ireo fa misokatra amin'ny gadona rehetra ny tarika. Manampy azy roalahy ireo ao anatin'ny Weaver Trio i Andriamasimana Hents, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT