Kabeson’ny ampanjaka Toera

5 taona aty aorian’ny fampanantenana vao tafaverina


  • Alarobia 27 Aogositra 2025

Tafaverina tamin’ny fomba ofisialy amin’i Madagasikara omaly talata 26 aogositra 2025

ny kabeson’ireo mahery fon’i Madagasikara 3 lahy dia ny ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-niady taminy, hoy ny fampitàm-baovaon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera. Efa tamin’ny 5 taona lasa, izany hoe, ny 6 novambra 2020 moa no nampanantena ny hamerenana izany ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, izany hoe efa tamin’ny fotoam-piasàny voalohany, dia 5 taona aty aoriana izany kabeso izany vao tafaverina. Mitarika ny delegasionina malagasy any Frantsa ny minisitry ny kolontsaina sy serasera, Mara Volamiranty Donna, miaraka amin’ireo solontenan’ny fianakavian’ity ampanjaka ity sy ireo manam-pahefàna isan-tsokajiny. Ho raisina eto Madagasikara, manomboka eto Antananarivo renivohitra, mandra-pahatongany any Menabe, izay hanakambanana azy amin’ny taolam-balony ireto kabeso ireto, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • TARIKA
  • Alarobia 25 Novambra 2026

RATALATA-40 TAONA NIJOROANA

  • Teratany vahiny
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

malaza

  • Tontolon'ny
  • Alarobia 18 Novambra 2026

kabary

  • Samy
  • Alakamisy 12 Novambra 2026

tsy salama i Lego sy Bekoto

  • ROUGE 501
  • Talata 03 Novambra 2026

HATSANGANA AO TOAMASINA

  • kolontsaina
  • Talata 03 Novambra 2026

Manohy asa sosialy ny tarika Rabejean Miarinarivo

Hijery ny tohiny
FTT