Kabary sy fampanantenana no betsaka

Tsy manam-bahaolana amin’ny fahantrana ny fitondrana


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Ao anatin’ny fahasahiranana no ahitana hoe mahiran-tsaina marina ve

ny mpitantana sa tsia. Raha zavatra mandeha milamina mantsy dia tahaka ny hoe fampandehanan-draharaha no atao, any anaty olana no mila tena mampiasa saina sy manana paikady. Betsaka izay kabary sy fampanantenana efa natao teto izay nanomboka ny taona 2008 raha nanomboka nanozongozona ny fitondrana ravalomanana ry Andry Rajoelina sy ny ekipany. Inona no voambolana tsy nampiasaina nanaratsiana ny fomba fiantanan’ny fanjakana tamin’izany fotoana, natao hirahira isan’andro mihitsy ny hoe mila fanovana isika. Dia iny nitranga iny ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, nisy ny efa nahafantatra fa hoe fampandriana adrisa io, fa tao ireo nanantena fiovana tokoa. Inona akory ny teo fa vao miha niha mafy ny fiainana ary niha nidangana ny vidin’entana, nitotongana ny vola malagasy, nitombo ny fanafarana entana, nitombo isa ireo tsy an’asa, nitombo ny asan-jiolahy sy asan-dahalo ka hatramin’ny tantsaha avy no misy maka an-keriny, herisetra sy vono olona etsy sy eroa. Tsy mila fanazavana be fa ny rehetra no mahatsapa ankehitriny fa tsy mamely, tsy mahavita azy ny fitondrana « orange » nilokaloka fa hanao revolisionina teto. Fahasahiranana isan-tsehatra no misy eto Madagasikara, simba ny fanabeazana, marary ny toekarena.Sarotra ny mamivanina ny ho avy, ekena hoe fahotana ny fahakiviana saingy indrisy fa maro be ny malagasy efa miraviravy tanana amin’izao fotoana, very fanahy mbola velona. Tsy manana vahaola handresena ny fahantrana sy ny hanatsarana ny fiainan’ny malagasy ny fanjakana, variana amin’ny sehoseho sy ny endrika ivelany fa ny fototry ny olona tsy mety voavaha. Tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny 47%’ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, misy akony ratsy amin’ny fitomboan’izy ireo izany. Tsy vitan’ny fizarana tosika fameno isaky ny fety sy loza voajanahary ny famonjena ireo fa tena mila politika mazava sy mitohy mandava-taona. Hita ho sempotra ihany ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo satria maro loatra ireo olona voakasika, tsy ampy ihany koa ny vola am-pelatanana. Tsy misy ny vahaolana matotra fa toa miandrandra fanampiana lava Ramalagasy.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT