kolontsaina

Kabary Manamarika ny faha 60 taonany ny FI.MPI.MA


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Nanamarika ny androm-pirenena ho an’ny kabary ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy omaly Alahady 15 Janoary tao amin’ny hotel le pave Antaninarenina.

Tafa sy dinika ho fampahafantarana ny anjara biriky nentin’ny Fikambanana teo amin’ny fampiroboroboana ny kabary malagasy, ny asa takian’ny maha kabary izay haren-tsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona no nanombohana ny fankalazana.Vanim-potoana manan-tantara eo anivon’ny Fikambanana rahateo ny taona 2023 -2024. Hanamarika ny faha 60 taonany mantsy ny Fikambanana ka nampahafantarina tamin’io omaly io koa ny fandaharam-potoana mifandraika amin’izany.Tonga nanafy haja izany ireo Birao Foibe tarihin’ny Filohan’ny FI.MPI.MA. maneran-tany Randriamboavonjy Hanitra sy ny Filoham-boninahitra FI.MPI.MA.Lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao moa no namaranana ny fihaonana omaly.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT