kolontsaina

Kabary malagasy Manakoako maneran-tany


  • Zoma 10 Jona 2022

Manakoako maneran-tany ny kabary Malagasy ankehitriny vokatry ny ezaka nataon’ny FIkambanan’ny MPIkabary MAlagasy tarihin’ny filohany Hanitra Andriamboavonjy.

Raha araka ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia firenena 14 any ivelan’ny Nosy no efa ahitana mpikambana ao anatin’ny FIMPIMA hatreto toy ny ao La Frantsa, Soisa, Kanada, Etazonia, Belzika, Alemana, Hollande, Luxembourg, Norvezy, Italie, La Reunion, Nosy Maorisy, Cote D’Ivoire…Tontosa soamantsara tao anatin’ny 2 volana araka izany ny famaranana ny taom-pianarana kabary tany ivelan’ny Nosy ka nanatanterahana famoahana mpianatra sy fandraisana mpikambana vaovao ary ny fanentanana ny Malagasy handala ny soa toaviny tamin’ireo firenena maro any ivelany. Ho an’ny tao Soisa manokana dia fantatra fa tsy ny Malagasy irery ihany no nikabary tany an-toerana fa efa nisy tera-tany vahiny ihany koa. Tao Norvezy indray raha araka ny fanazavan-dRtoa Hanitra Andriamboavonjy dia marobe ireo Malagasy sy Norveziana liana hianatra ny kabary Malagasy. Tao Oslo moa no nanatontosana ny hetsika, toerana izay tsy mbola nahitana mpikabary mihitsy nefa nahavory Malagasy an-jatony avy any Betgen , Stavanger ary Oslo. Mbola vonona ny hitondra lavitra ity sehatry ny kabary ity maneran-tany moa ny FIMPIMA ho fanandratana avo ny soa toavina Malagasy.
Pati
Legende : Hanitra Andriamboavonjy filohan’ny FIMPIMA mitondra avo ny kabary Malagasy any ivelany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT