kolontsaina

Jounée de l’Afrique Nomena lanja ny tanora


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Nomarihana omaly zoma 19 mey teny Ivandry ny andron’i Afrika na ny « Journée de l’Afrique » 2017 niaraka tamin’ny fankalazana ny faha-54 taona nijoroan’ny Firaisambe Afrikanina.

 Nambaran’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina eto amintsika, Rtoa Hawa Ahmed Youssouf teratany Djibousiana, sy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier nandray fitenenana,  fa homen-danja ny tanora afrikanina manomboka eto sy mandritra ny 50 taona ho avy. Nambaran’izy ireo fa hojerena manokana ny fanomezana asa azy ireo sy ny fanohanana azy amin’ireo tetikasa novolavolainy mba hoentiny mampandroso ny tenany sy ny firenena niaviany avy ary ny kaontinanta Afrikanina. Manana toky amin’ireo tanora isika Afrikanina na ara-toekarena na ara-pandriampahalemana noho ny fahatanoran’ny fisainana ananan’izy ireo sy ny fahavononany hampandroso an’i Afrika. Nisy fijoroana vavolombelona, nataona tanora Malagasy 2, lahy sy vavy, amin’ny fananan’izy ireo finiavana nanangana fikambanana. Ny iray dia fikambanana dokotera antsoina hoe : Jery atrika hisahana fizahana fitsaboana sy civisme ary asa an-tsitrapo samihafa hanentana ny tanora handray andraikitra hanatsara ny hoaviny. Ny faharoa kosa dia fikambanana tanora izay te handraharaha mivondrona ao anaty « Plate forme » iray ka hisy fanampiana azy ireo rehefa mandroso ny tetikasany. « Incubons » indray kosa ny anaran’io.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT