Joséphin Andriandrainarivo

«Sady kolontsaina no toekarena ny Katy»


  • Zoma 09 Febroary 2024

Heveriko fa tsy tokony ho izy raha Katy no antony nisamborana

ireo olona teny 67ha, hoy ny filohan’ny Fikambanamben’ireo mpitsabo nentim-paharazana na ANTM, Joséphin Andriandrainarivo. Efa kolontsain’ny Antakarana sy SAVA iraimanontolo iny io, indrindra, ny ato DIANA sy Boeny ary SOFIA. Miakatra aty an-drenivohitra moa izy izao. Na lahy na vavy samy mitsakotsako azy iny an-davan’andro eny. Izahay ao anatin’ny «Commission pharmacopée traditionnelle» na ny kaomisionina misahana fanafody nentim-paharazana ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia nahita ary efa nandalo ny masoko mihitsy ny taharon’ny zava-maniry fanao fanafody fa misy Katy fa tsy mitondra olana na olona hoe hanao habibiana sy ny toy izany ilay izy. Hafa indray raha sendra hoe mivarotra Katy ilay olona fa miaraka amina zava-maha domelina hafa ambadikany na miaraka aminy. Tsy tokony hisy resabe raha Katy fotsiny na isamborana olona satria raha izany no izy dia erak’i Madagasikara hatrany avaratra rehetra any izany dia ho samborina. Misy kolontsaina io satria alaina vao maraina be tsy vaky masoandro. Misy idiran’ny resaka toekarena koa satria eo amin’ny resaka varotra dia an-taonany maro ny fianakaviana any avaratra any, Nosy be rehetra amin’iny sisin-dranomasina andrefana iny dia ahitanao ny fihaonana na «rendez-vous» ifanaovan’ny olona amin’ny mpivarotra Katy. Efa lasa kolontsaina ny fihinanana an’io. Mifandova mihinana azy mihitsy ny olona. Rariny raha maneho hevitra ireny mpanakanto mahatsiaro voakasika ireny satria ny olombelona samy manana ny fihetseham-pony. Manao antso aho anefa hoe ny fihetseham-po mba hoento amin’ny rariny sy hitsiny ihany! Manentana ny fitondram-panjakana izany hijery tsara sao any amin’ny tsy mivonto no manaintaina? Kolontsain’olona io. Azo atao hoe fanafody ihany koa aza satria mampatanjaka ny hozatra na lahy na vavy na antitra na tanora. Mety hiteraka korontana anaty fiarahamonina io raha tsy dinihina tsara. Sady kolontsaina no toekarena ny katy, hoy hatrany ity filohan’ny ANTM ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT