kolontsaina

Josephin Andriandrainarivo “Notobahan’ny toe-tsaina tandrefana ny Malagasy”


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Notobahan’ny toe-tsaina tandrefana hoe “ny vola no maha rangahy” ny soatoavina malagasy hoe “fanahy no olona”,

hoy ny filohan’ny Fikambanambem-pirenen’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Mitobaka eto, hoy izy, io fomba fisainana io hanakorontana amin’ny lafiny maro. Anaty demokrasia, ohatra, miteniteny foana eny satria miheritreritra hoe azo atao izay tiana atao ao anatin’izany. Hatramin’ny ankizy kely sahy manevateva ray aman-dreny. Rendrika amin’ny randrana tsy manendrika ny tena ny ankabeazan’ny olona anaty fiarahamonina rehefa miresaka ny atao hoe fandrosoana. Maka tahaka be fahatany ny fomba amam-panao sy fihetsika any ivelany. Isany ireny resaka fampisehoana ireny. Na ny mpijery na ny olona jerena dia matetika voasarik’ilay famindra sy fomba fihetsika avy any ivelany izay. Tsy voaresaka mihitsy izany soatoavina izany. Na ny mpanao politika manao itony hoe soatoavina repoblikanina itony dia lazaiko anareo fa soatoavina eoropeanina izany. Be dia be amin’io fenitra tian-drizareo apetraka io no tsy mifanojo amin’ny foto-pisainana malagasy. Tahaka izany ny sehatra ara-pinoana isan-karazany izay mampiendaka ny olona amin’ny soatoavina maha malagasy ny ankabeazany. Ilaina ny fifanabeazana. Eo ny fitobahan’ny foto-pinoana tsy mahazo ilay soatoavina malagasy sy mandà azy fa eo koa ny fitobaky ny zava-mahadomelina raisin’ny tanora hatramin’ny olon-dehibe izay alaintsika tahaka be fahatany ka manendaka ny fanajantsika izany soatoavina malagasy izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT