kolontsaina

Josephin Andriandrainarivo – ANTM “Mbola tsy fanarenan-kasina ny firenena no mitranga”


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Ny fomba amam-panao sy ny hasina ao anaty soatoavina sy kolontsaina Malagasy dia nazera sy nosihosena, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana Malagasy, Josephin Andriandrainarivo.

 

 


Tsy nentina tany ivelany ireny fomba amam-panao sy hasina ireny fa zavatra vitsivitsy toa an’iny satro-boninahitry ny tatarom-piandrianan’ny mpanjaka Ranavalona III iny no nentina tany. Toy izany koa ny kabeson’ny mpanjaka Toera. Fa ilay hasina sy fomba amam-panao ary soatoavina dia eto amintsika no nitsakitsahana amin’ny fomba sy fitaovana maro izay nampiasaina. Tsy ataotao foana ny fampiasana ireny fitaovana ireny fa izany no mahatonga ny fiainantsika eto toy ny fitenenana hoe tsy ambony tsy ambany toy ny lohalika alika. Sady tsy takatsika ny fiainam-bazaha no tsy voatana koa ny maha Malagasy, hany ka vao maheno hoe andron’ny demokrasia izao dia mifanompa izay te hifanompa. Manevateva olon-dehibe ny tanora. Tsy fiovana tantara na tantara vaovao no ilain’ity firenena ity fa fiarenana. Mbola tsy tonga any amin’ny fanarenan-kasina isika izao ary tsy mbola midika ho izany io zava-mitranga teny amin’ny rova io. Na ny manam-pahefana aza milaza hoe mbola maro ny fananantsika mila averina any ivelany any. Ireny tanintsika manodidina ny ranomasina ireny. Ny fiainantsika eto mbola miankina amin’I Lafrantsa. Mbola misy tsy voavaha hatramin’ilay hoe niverenan’ny fahaleovantena ka hatramin’izao ao. Ny fifidianana lalampanorenena mihitsy fa tsy referandaoma toy ny nahazatra hoe eny na tsia fotsiny no tokony atao eto raha te hanova zavatra isika, hoy hatrany ity filohan’ny ANTM ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT