kolontsaina

Joseph Yoland “Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka eto”


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Efa nanao ilay hoe “Refondation du système pour le reel développement de Madagascar” ny tenako fony mbola CST, hoy ny mpanao politika, Joseph Yoland.

Nojerena araka izany, hoy izy, hoe inona no raikipohy hahafahana mampandroso marina ity firenena ity. Firenena nozanahana ity dia mila jerena izay. Tsy resaka fahaleovantena ara-tsakafo ihany na fanarenana ny lisim-pifidianana. Ireo harenantsika ireo tsy tokony alefa mivoaboaka any ivelany. Alefa mandehandeha fahatany any hatramin’izay ka hatramin’izao anefa ny volamena. Nanafatra mpampianatra avy amina oniversite maro ho tonga teto ny tena tamin’izany. Nisy ny fehinkevitra nivoaka tamin’izany izay nosoniavin’ireo mpikamban’ny CST miisa 135 amin’ny 150 tamin’izany. Tsy nanatrika fotsiny no antony tsy nahazoana ny sonian’ireo 15 ambiny. Mila ovaina ny raikipohy teren’ny mpanjanaka ampiharina eto. Io izao ny CENI fa miantso fikaonandoha. Tsy amaha olana eto Madagasikara io fa ataotao fahatany. Izany fikaonandoham-pirenena izany koa hakana ny hevitry ny olompirenena rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT