kolontsaina

José, tarika Hasina Hankalaza ny 20 taona namoronan-kira


  • Zoma 14 Aprily 2023

Anio 14 mey 2023 no fotoana ao amin’ny CC ESCA Antanimena hanamarihana ny faha 20 taona namoronan’i José ao amin’ny tarika Hasina hira sy ny faha 25 taona naha filohan’ny STK Fanasim-piderana azy.

Fanokafana ny fankalazana io, hoy ny fanazavana. Nanasa ireo tarika niara-niasa taminy hatramin’izay, noho izany, ny tenany. Isany ny tarika Hasim-piderana, Rojo Ny Avo, Jajah, Noely kely, Tonton Pa, Lucien R, Christian K. Eo koa ireo antoko mpihira toy ny STK Fanasimpiderana Antanimena, Feo manako Ekar Soavimasoandro, KTLM ao amin’ny FLM Ambohimandroso, Atipa, AZFF, Help, AMF. Hivoaka amin’ity anio ity ihany koa ny «Rakitsary tambatra» izay ahitana azy mampiara-peo amin’ireo namany ary azo jifaina eny an-toerana. Hitohy any amin’ny faritra, hoy hatrany ny tenany, ny tohin’ny fanamarihana izao fotoan-dehibe izao mandram-pahatongan’ny 19 desambra, izay famaranana ny hetsika. Ny 90%n’ny hiran’ny tarika Hasina, izay tarika tena nanombohany, hoy ny nambarany, dia noforoniny avokoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT